Hiram-betsovetso (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soratako ny hirako
Aty an-tsisin-tany
Ka izy no mba irako
Hanony izay tomany.

Ô! hira tsy marevaka
Fa kalon'olona ory;
Malako sy malefaka,
Fanaoko raha hatory.

Ka eo am-baravarana io
No maka rotsirotsy,
Injay manarangarana
Ny tara-bolafotsy,

Ny kintana eny an-danitra,
Indreo mangalahala;
Mitopy sady manitra
Ny rivotra ao an'ala.

Ny zava-manodidina
Manomboka ho sina;
Ny saiko, injay misidina,
Miakatra mangina!

Ka eny am-pitazanana
Ny zava-tsinjo eny,
Ny foko tsy haiko tanana,
Mivetso an'izy ireny!

Izato habakabaka
Mirentin-kazavana ,
Madio mangabakabaka ,
Tsy hita fiafarana!

Tsy azoko refesina,
Tsy takatry ny loha,
Fa satriko hoventesina,
Kaloiko mialoha.

Ny kintana alinalina,
Mambabo ny fanahy,
Mandravaka ny alina,
Manetsiketsika ahy!

Mba kely fa mamiratra
O! toy ny tamaboha ,
Kanefa mampihiratra
Ny vetsovetson-doha!

Raha ory ny fisainana,
Banjiniko izy ireny:
Ny ora itarainana,
Mba lefy ho azy eny!

Raha vonto ny takolaka,
Na maloka ny tava,
Malemy sady folaka
Ny sento lalandava!

Ny volana zahavana:
Malefa-kafahafa,
Toa maso be fitiavana,
Maniry hifanantsafa .

Injay somparan-drahona
Ny tavany efa feno:
Izaho koa miahona,
Ny hirako tsy heno.

Tsaroako fa manjombona
Na izy na ny foko,
Satria izahay miombona,
Miara-mitakoko.

Matetika eo no lasana
Ny sentosentom-po!
Tadidy ny any am-pasana,
Ny tiana efa lo:

Ny kibo nifonosana,
Ny Dada niangotiana,
Ny zokiko nofosana,
Ny zandry kely tiana!

Dia tonga manororika
Itony maso itony!
Ny lohako miondrika,
Tsy mahatraka intsony!

Fa nony mangoratsaka,
Ka tsinjo ny hazavany,
Ny sento tafalatsaka
Misinda lavitra any!

Mazava mangorobaka
Tafiditra any am-po!
Ka hery be mitobaka
Mandroaka ny manjo!

Ny tsilo be maranitra
Manevika eto an-tany,
Dia hita fa io ny Lanitra,
Mpanafaka an'izany!

Impiry ny Fanahiko
Zay noratrain'ireny
No lasana nirahiko
Nandranto aina teny?

Ny Tany mihorakoraka
Raha lavony eo ianao!
Ny Lanitra mangoraka,
Manafy hery vao.

Ny maso ampakarina,
Ry havako tomany,
Lazaiko marimarina
Fa maina ho azy izany!

Fa tody izao ny irako
Taty an-dafin-tany;
Ka enga anie ny hirako
Hanony izay tomany!
--------
Rohy:
1347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Nampiditra : hery
Daty : 15/06/2021 21:12
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098