Tsarovy - Ny Avana Ramanantoanina
Tsarovy fa fihodinkodinana
No didy mitondra ny tany,
Fiakarana sady fidinana,
Korontana ambony sy ambany !
Ny ketraka mora mivarina,
Miroraka tonga kanosa;
Ny potraka nefa tafarina,
Ireny ka olona kosa !
Dia olo-mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony,
Manandratra ilay Tanindrazany,
Manondrotra an'io ho ambony.
Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patoriny ho lo,
Izany no hany fisainany,
Fisainana tsy maintsy ho to !
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina

Nampiditra : jantina
Daty : 23/09/2019
Mpamangy : 2152
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Midona moramoraHiram-betsovetso
FANAHY MAMOLIVOLY
" AHOANA RY FOKO ? "
Ny lehilahy
SAMBO
SAROTRA AMBARA
Resa-panahy
Alahelo Iaraha-Manana
Asakasakareo