You are here: home > Vetso

SAROTRA AMBARA - Ny Avana Ramanantoanina

Azo vakiana?

Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry,
isika olombelona anisan'izany
ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry,
asainy mitsiky ary mitomany.


Imbetika isika dia faly dia faly,
omen-kasambarana, soa sy mirindra,
Mbetika kosa, indrisy ! Mijaly,
toa latsaka lalina, lalina indrindra.


Misento ny saina : injao manontany :
mba inona indrindra no anton'izany ?
moa ve fitiavany sa fitsapàna,
'ty nofo malemy ka sorisoreny ?


Mangina, mangina, mangina, ry foko :
ny tendrin'ny Avo ka zavatra tsara :
anio ravoravo, ampitso toloko,
ny anton'izany ka sarotra ambara.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina


Nampiditra : verokely Fianaroise
Daty : 22/01/2015
Mpamangy : 5001
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsarovy
SAMBO
Resa-panahy
Alahelo Iaraha-Manana
DIENY MBOLA VELONA AHO
Asakasakareo
Hataka