Ny lehilahy - Ny Avana Ramanantoanina
Tsarovy, sakaiza, ny fon-dehilahy,
na inon-kidona, na inon-kihatra,
tsy mety ho kivy, tsy mety manahy,
tsy maintsy mijoro, tsy maintsy mitraka.
Na rahona mainty, na oram-baventy,
na rivo-mahery, na andro migaina,
e ! zavatra tokana ihany no mety :
asaivo mijoro ny fo sy ny saina.
Na inon-kapoaka mangidin'ny tany,
e ! aza mba kivy, onony ny fo :
tsy misy mafaitra ny atin'izany
rahefa tampohana fiononam-po !
( Ny Lakolosy Volamena, 22 desambra 1911)
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 07/12/2017
Mpamangy : 1920
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
Midona moramoraHiram-betsovetso
FANAHY MAMOLIVOLY
" AHOANA RY FOKO ? "
Tsarovy
SAMBO
SAROTRA AMBARA
Resa-panahy
Alahelo Iaraha-Manana
Asakasakareo