Satria tiako ianao! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
satria tiako ianao!

raha manina ahy hono ianao,
ka lasalasa ny fisainana
ireo teny mamiko iainana
ilay teny kely fantatrao
teny tsotra:"tiako ianao"

Dia raha misy any ho any
hafa sahy milaza toa izany
izaho anie ka tsy manahy
fa tsy mitovy velively
ilay fatran'ny "fitia"
izay mety atolony sy ny ahy!

Fa na dia ny fijerinao,
Ny angolateninao
ny bikabikanao rehetra
ny mombamombanao etsetra...!
ireny rehetra rehetra ireny
efa voafaritra voatenin'
ny fitiavako daholo
Fa latsa -damba aminao aho

dia ambarako ihany koa
n'inon'inona hiseho
na ho ratsy na ho soa
aza manahy f'izaho ho eo
anilanao foana
ny eritreritro sy foko
ka na sento na toloko
mety mahakivy anao,
hositraniko hohitanao!
--------
Rohy:
72727 37
Hevitra mandeha
six ( 06/03/2004 15:52)
hainao tsara kosa ny tononkalom-pitiavana an! efa mmisy mihira zany ve io zao
booboo ( 29/04/2004 13:52)
tsara be !
aladin ( 30/04/2004 11:49)
milay e!!
nyeja ( 08/05/2004 07:11)
mankasitraka anareo tia ny sanganasako dia mazotoa mamaky ny takelaka tononkalo eto amin'ny serasera !.
io tononkalo io mbola tsy misy mihira aloha hatramin'izao fa afaka manoratra amiko ato amin'ny serasera izay manana faniriana hamoronako hira
misaotra antsika rehetra.
ny Eja
manaofitia ( 25/05/2004 09:49)
i mija aky ty a tena tsara be ny poeme nataonao io tena nalaiko mintsy ilay izy!!
harikanto ( 25/05/2004 19:55)
kanto dia kanto ny sangan'asanao ,feno fahendrena,ankafiziko tanteraka fa maharavoravo ny fo amam-panahy!! misaotra indrindra!!!!
nyeja ( 05/06/2004 12:48)
misaotra indrindra an'i harikanto sy mija aho
Malalason ( 16/09/2004 16:18)
tanteraka izany ny soratra masina hoe "na dia ny ony maro aza tsy ahapaoka ny afon'ny fitiavana"
sambatra izay manana anao fa nahazo olontiana feno T na ajekitifa malagasy io hoe : "tsara" ho toa anareo daholo anie ny Mpifankatia rehetra.

R.JO
aladin ( 24/09/2004 20:35)
tssss!!!!
nyeja ( 25/10/2004 08:24)
izany an , i malalason kosa tena mahita lazaina an hihih, misaotra mamaky ny sanganasako e ary inona no antony anaovan'i aladin hoe tsss?
misaotra sy mankasitraka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159