Alim-pahasambarana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina iny mangingina,
ravaha-nofy mamy
Miserantserana any...
Endrik'olona iray
Endrik'iray tsara voatra...
safidim-po ety an-tany,
Endrika atamberimberin'ny nofy mandrakizay!

...Avelao aho hanofy foana,
ry alim-pahasambarako...
Ny nofy,hono,raha mamy,
satry hanofy hatrany?
Mitete ranomaso,hono,
ny mason'ny anjarako...
Satria toa nofinofy hatrany?

...Any anaty nofy any,hono,
Misy toerana mahafinaritra,
Izay tiako honenana maharitra...!
Satria mahasambatra ahy...!
Any,hono,misy voninkazo...
Iriako otazana,
Fa raha tafaverina an-tany,
tsy mba ho azo!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1095 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139