Indrisy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy re,indrisy!
Fa raha ny hotiaviny no hisy,
Dia ny bozaka no isaiko,
Ny hanantena toa tsy ho haiko!

Tiako loatra anie ny aminy,
Saingy indrisy!tsy anjara!
Tsy ho ahy anie ny maminy...
Ka ny mionona no tsara!

...Fa na dia hionona aza anefa,
Indrisy e!mbola hitia mangina!
Fa fitia tsy mba diso fiantefa,
Fa nosomparana tsy hitia,
nosomparana hangina,
Tsy hianok'olon-tiana!

...Eny,indrisy!
Indrisy re rahavako,
noferana ny fitiavako!
Marary nefa ho aiza?
-Asa!ianao no efa niriana!
Nirian-ko sakaiza,
Sakaiza tena tiana!


...Kanjo izao,
Nosomparana hangina!
Ny RTM
--------
Rohy:
1487 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182