Inona moa izay izaho? (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona moa izay izaho?
Toa ravin-kazo sara-taho...!
Mitia tsy mba misy mpangoraka
Vao miroso dia maro mpitoraka...!
Inona moa izay izaho?
Raha mba mitory fitia aminao
Lazaina fa hoe adalana
Nefa fitiavana tsy tana!
Inona moa izay izaho?
Marary e!fa nolavinao!
Niteny tsy mba nohenoina...
Fa ny hafa kosa antsoina!
Fa inona moa izay izaho e?!
Mitoloko,fa nilaozanao...!
-Fitampodian'ny tsiaro manoina...
Tiako alevina fa saro-bonoina...!
--------
Rohy:
1189 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146