Izaho tsy manana anabavy! (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa ny anareo,
Raha mba ho toy ny ahy,
Fa ny ahy ny anabaviko,
Mikaoty lehilahy,
Tsy mila kaotiana akory,
Fa toa manorisory,
Sy tena mahaory,
Ny fiainam-panahy!

Izaho tsy manana anabavy!

Asa re ianao raha mba mitovy amiko,
Fa ny ahy ny toe-tsaiko dia sahala @izao:
Ny toetra tsy mendrika e!Dia tsy mba laniko,
Raha fiainan-jiolambany dia tsy havako ianao!!!

Izaho tsy manana anabavy!

Fa ny ahy mantsy ny anabaviko toa mafy loha!
Tenenina @ hahasoa azy vao mainka manao...
Izaho moa efa leo dia tsy hivaky loha,
Ka noho izany,tsy havako ianao!

Izaho tsy manana anabavy e!

...Saingy,izaho manana anabavy ihany satria,
Anabaviko ianao na dia mafy loha tsy laitra tenenina aza!
Efa nananatra ihany aho,fa raha tsy ho laitran'ny balan'ny fananarana,
Dia ho anariko am-bavaka mangina sahaza...
Fa raha mbola hanamafy loha dia tano ny anao,
@izay tsy ho havako ianao!
Izaho manana anabavy!

Anabaviko daholo koa ny tovovavy rehetra
Satria ao @Tompo,
Ny fihavanantsika tsy misy fetra!
Fa mpihavana daholo,
Isika manontolo!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina - Alahelo
1145 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166