Tso-drano mbola tia (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao iny,
Olon-tiako fahiny
Ilay efa nitondrako ny mafaitra
Sy ny ankasom-pitia tsy laitra!
Ary efa nataoko mihintsy
Ny hihazonana anao mba ho ahy
Nefa re indrisy!
Namoronako ny tsy nisy
Asa ianao raha nahatsapa izany
Na nianoka fotsiny ihany...!
Vokatry ny fo anefa ireny,
Ary tsisy neniko velively!
...
Ankehitriny anefa,
Indro ianao nilefa...
Nitia olon-kafa,
Nanary ahy mahantra
Koa indro aho maratra!
Ka nihazakazaka toa tsy nitsitsy
Ny fihetsikao nandratra ny foko,
Ka nampitoloko!
Sedram-pitiavana anie vita ihany
Ary koa ireo tomany...
Fa fitia nampijaly ka tsara tamintsika ny nifandao
Fahoriana ho ahy ny mamoy tanteraka anao,
Saingy,...
Ndeha ny lalanao zory
Aza mitady ahy intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony!
Mahita hasambaram-baovao hafa indray
...
Veloma mandrakizay!
--------
Rohy:
2195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1097