Teny amin’iny LALANA iny (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“hanohizako ilay FIFANENANA nosoratan’RHA Nary”

Tena tsy fantatrao tokoa
zay tao am-poko tao ary tsy holazaiko anao
raha nifanena isika teny amin’iny lalana iny
toa tsy sahy nifampijery
na dia samy nandeha irery…
ity zaho moa
dia nody fanina tokoa
raha vao nahita anao
nefa ny tao am-po
nientana avy hatrany,
nibitaka aok’izany
tsy hay hoe hery avy aiza
ny nahatonga izany?
Mety….
‘lay jery
natsipin’ny masonao
no nampivalomena
reto takolako ankiroa
saika tsy hitako
hatramin’
ny lalana izorako
Kelikely avy eo
tazako…indro ianao nijery
manara-maso miafina
nitsipalotra hatrany
nijery ahy ambony ambany
mody tsy rototra aho
nefa nangala-maso kely nitodika nijery
kanjo…nifanojo ndray
reto masotsika nanao fangala-piery
samy te hihomehy
avy eo samy nandeha
nizotra tamin’
ny lalana haleha
d’izay ho tohiny ???
….tsy hay!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1080 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 24/09/2015 12:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094