Tokana aman-tany (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko angamba fa raha misy koa
Olona milaza fa tia dia tena tia
Dia tsy misy afa-tsy ianao

Ataoko angamba fa raha misy izany
Olona miteny fa mihari-pery
Tsy misy afa-tsy ianao irery

Ataoko angamba fa raha mbola misy
Olona mijaly eto ambonin’ito tany
dia mbola ianao hatrany

Fa tsy angambangamba kosa
Lay Fitiavanao Mahery
Ry NENY mamy… toa tantely!
--------
Rohy:
Sokajy : tsara
1144 3
Mpakafy: gasykr - SAHIA - maningana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 22/09/2015 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253