You are here: home > Vetso

Izaho, hono, poety ! - Pissoa

Azo vakiana?

Izaho, hono, poety !

Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay fa reko mikorontana ny taniko
Tifitra misesisesy, herisetra tsisy farany
No misolo "Fihavanana" ! Voazimba ilay akaniko ;
Dia tsy hita izay voasoratro hamiliana ny tantarany.

Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay tsaroako irony ankizy tsy ampy taona
Izay midradradradra anaty, miandry rariny hanjaka
Fa nolotoina an-kerisetra nefa dia teren-kimoana !
Dia tsy nisy mba voasoratro, na teny kely aza hampitraka.

Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay niofo ny fitiavan'ny malalako
Ka tsy hisy intsony "Izahay", na matotra na vazivazy ;
Dia nihodonako ny tsiky namemoany ny tantarako
Ka tsy nisy mba voasoratro ho fanehoam-pisaorana azy.

Izaho, hono, poety !
Nefa nony injay heveriko fa tsy mendrika intsony
Ny fitaizana izay atolotra ireo tompon'ny ho avy ;
Dia mitaraina ny fanahiko, ny eritreritro tsy tony !
Nefa tsy hita izay voasoratro ... Moa tsy izaho no mpamosavy ?

Nefa izaho, hono ... poety !

Sokajy : Kolontsaina

Hevitra mandeha

hery (24/06/2009 11:21:42)

Mahagaga tokoa.

Izaho aza mahavita manoratra tononkalo ho an'izao zanak'olona rehetra izao... fa nony teraka ny zanako, hatramin'izao mbola tsy nahasoratra foana :-)

Sa ve io ilay hoe "Ianao anaka eto amiko foana"...

maeva74 (24/06/2009 14:06:41)

Sa ve io ilay hoe "Ianao anaka eto amiko foana"...Hery ohatry ilay hoe: " ny zanaka mpanao kiraro ihany no ratsy kiraro sa ahoana???

sakaymena (24/06/2009 14:25:09)

yeh tena marina zany pissoa ah

Zozoro (25/06/2009 21:03:57)

Tena mankasitraka pissoa a! poeta ianao ka! ankafiziko ary iainako avokoa ny vetsonao rehetra.
Maromaroa ny toa anao.
Misaotra e!

toetra (25/06/2009 23:38:35)

Ilay andininy voalohany no tena nanaitra ahy satria mampahatsiahy ny adidin'ny poeta amin'izao raharaham-pirenena mavaivay izao. Mankasitraka Pissoa.

oliviah (27/06/2009 12:22:14)

izaho tsy poety,fa mahita fa mitombona io

zoniaina sandratra (29/03/2018 11:09:34)

Mahafinaritra ny mamaky ny tononkalonao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 23/06/2009
Mpamangy : 1718
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko
Izy iny