TSY VOASOLO (Rado)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
♠Mangina ny trano, toa vohitra may
Nilaozan’ny Zo ka niova ny lokony
Ny fo nanantena dia nangaihay
Mpindrana angamba, fa mbola tsy tompony

♣Tsy nisy veloma mba nifanomezana
Na oroka farany ifanakalozana
Fa tampoka foana, nanao an-detrezana
Ilay fahafatesana tsy azo ivalozana

♦Kotsa sy vonto fa rovi-tsarotro
Ny fo niandrandra ilay Zo Nantenaina
Nangasihasy ireo tana-nitrotro
Namantana nofo nilaozan’ny aina

♥Izay very vakana : hitady any ho any
Ireo very sampy : mbola afa-manolo
Ny zanaka kosa tsy tahaka an’izany
Ny toera-nialany tsy mety ho voasolo
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/rado/tsy-voasolo
1915 1
Hevitra mandeha
hery ( 05/05/2022 22:16)
Hay ity ilay tononkalo notadiavinao?
Tamin'ny fahafatesan'ny zanak'i Rado angamba e?
AZTECA ( 06/05/2022 07:51)
Eny, io mihitsy ilay izy, tononkalo nosoratany ny volana Janoary 1976. Dia nandeha nitety tranom-boky aho nikaroka azy dia hitako ihany, ary zaraiko eto. Boky nivoaka ny taona 1989 ary nampitondrainy ny lohateny hoe ZO no nahitako azy. Eo ambanin'ilay lohateny hoe "Tsy voasolo" io nasiany fanamarihana anaty fononteny hoe "ho fahatsiarovana ny namoizany ny zafikeliny" .....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : AZTECA
Daty : 05/05/2022 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2612