You are here: home > Vetso

angamba maika hody amin'ny varo-tsy mifody - Rajordri

Azo vakiana?

Tsy rendrika ny sambo  
anefa koa tsy ho tafita,
toa ilay fitiavantsika roa,
hiombonombona eny ihany
mandra-piala eto antany.

Tsy mangatsiaka angamba
anefa koa tsy hihamafana
satria ny kalon'ny fitia
dia tsy mety hiraina intsony
fa nivadika nikomy.

Dia hoy aho:inona no atao?
fa tsy hoe aiza no aleha
satria lasana nandao, ny tantaran'ny ela be,
nivily niakandrefana any,
.....angamba maika hody amin'ny varo-tsy mifody.






Hevitra mandeha

Zozoro (14/10/2009 15:01:57)

Mankasitraka e!

Rajordri (15/10/2009 23:05:40)

ianao no tena ankasitrahana

Hametraka hevitra

Midira aloha