You are here: home > Vetso

hiandry anao hiarina - Rajordri

Azo vakiana?

dia hoe...
fandrosoana fikomiana,
eritreritry ny resy.
dia hoe...
hanjera fahoriana,
mba hamongotr'ireo fetsy.

Indrisy anefa fa dahalo
izay mifampfahavalo
no milalao tantara kely,
valifaty teny ho eny.

dia indrisy...
tsy fantatr'ireo resy,
fa kilalaon'ny dahalo
izay mifampifahavalo
ny fahafahan'izy ireo.

Eny ho aho ry fireneko
ontsa anao ny alaheloko
hiandry anao hiarina
ho sakaizan'ilay marina.

Sokajy : Ady

Hametraka hevitra

Midira aloha