Tsy menatra ny taniko (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ny taniko
fa noravahan'olomanga
sy noventsoin'ilay mpiangaly
ka tonga feno hira
miranty sarisary
kanto nahavariana
nitondra rotsirotsy.

Tsy menatra ny taniko
fa nisy lehilahy
vonton'ny herim-pony
nanandratra ny sentony
hibitsika amin'ny maro
amim-peo manakoako
mba handresy amin'ny ady
ny tolom-pahafahana
ho an'ny tanindrazana.

Andriana antenaina
rado haingo tsara loatra
miventesa irony ventso
any ambadika any ankoatra
ho an'ny rahalahy
mba ho vonona sy ho sahy
hitondra tsy ho faty
ilay fanilo nentinao.

(noho ny nahalasanan-dRado)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1361 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142