You are here: home > Vetso

Fo naniry ny tsy hisy - Rajordri

Azo vakiana?

Tonga ho olon-tiako
ilay felam-boninkazo
ivelan'ny tontolo,
nitondra torimaso
nihelina nandalo
mamiko dia mamiko,
saingy taitra ny fanahiko,
ka indro fa tsiahiko
fa ny ory sy ny manana
dia tsy afak'hiombo-dalana.

Dia nojereko ny fitiavana
raha mba azo hifandaharana
saingy hitako mazava
fa ny vesatry ny fainana
dia tsy safidy fa adidy
koa naleoko mba nanorina
izay ninoako ho hasambarako,
ivelan'ilay nofy
nihelina dia lasa
ho eny antratran'olon-kafa.


Tsaroako ny tantara
nilazako tamin'iny
fa ny zava-tiako indrindra
dia ny eo anilanao
anefa ny ho avy tsy mety ho kilalao
koa ampanginiko any ho any
ilay foko izay naniry
ny zavatra tsy hisy.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

kalointsika (30/06/2008 08:03:34)

marina ny anao

Rajordri (08/08/2008 09:59:00)

angamba?

Hametraka hevitra

Midira aloha