You are here: home > Vetso

Taratasy fotsifotsy - Rajordri

Azo vakiana?

Indro omeko anao
taratasy fotsifotsy
soraty sy fenoy
izay vetso adala ao amponao.

Indro raiso f'aza miavona
asio sary maintimainty
koa raha tonga izay alina
dia tsy ho hitako s'ianao
ny hevitra ao anatiny ao.

Raha toa re ka azo atao
dia ranomainty miavona
no mba hanoratanao
amin'izay ireo mpamaky
hampandositra ny masony
sy hanalavitra ny fony.

D.

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha