You are here: home > Vetso

atao ahoana moa - Rajordri

Azo vakiana?

Fenofeno fahanginana
ity andro anio ity
rakodrakotr'embonembona
te hitondra moramora
irony sentosento
hananiky ny havoana
hitety tendron-kazo
hiaraka hikopaka amin'ny vorona manidina.

Fa nahoana indrindra ange?
angamba mahatsiaro
ny aloky ny omaly
sy ny ranomaso
nijohy tao am-po
tami' nifandaozana,
saingy atao ahoana moa
fiainana hono ireny
ka ny mionona no mety.

Sokajy : embona

Hametraka hevitra

Midira aloha