Ry ho avy, mistery ianao (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nefa sady kosa
antenaina mbola ho avy
ireo anio ho lasa omaly,
andrandraina hitondra aina
na hamotika ny saina.

Eny e,
ireny lasa ireny
efa vita tsy hay intsony
toa toloko tsy hamony
sady hafaliana vao hamelana
mampisandratra fitserana
sy antsoantsom-pandresena.

Fa ny marina
ry ho avy O
mistery ianao.
--------
Rohy:
1362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149