Fo nandresy ireny (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mangidy koa ny rora
dia mamiko ny lasa
satria anatin'ny ilay foko
dia tsy maty fa matory
ny tantaran'ny fitia.

Tsy ny hitady mba ho ahy
izay tsy hananako safidy
no ekeko ho ho fahamarinana,
fa ny hitondra sy ho sahy
hamela izay tadidy
ho vetsom-pahanginana.

Nentinao ankerisetra
izay tsy tokony ho anao
ry malalako fahiny,
ka zary nanam-petra
sy tonga haolo lao
ilay fanahy tsy nanan-tsiny.

Hoy aho anatin'ny alina
maizina ny tany
saingy tany fandalovana,
koa ny sento lasa lalina
raha nitondra ny tomany
dia hanjary ho fahatsiarovana.

Ilay ampitso tsy hay fantarina
fa narindram-pandaharana
ka napetraka hosedraiko,
dia hivavahako ho marina
sy ho feno fahasambarana
hatrany ampara fofonaiko.

Kivy fa tsy ketraka
toy ireo manirery
falin'ny fisiany,
tsy hanaiky ny hetraketraka
hamotika sy hamery
izay vetsom-paniriany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1337 1
Mpakafy: Rajordri
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996