You are here: home > Vetso

miandry paradisa - Rajordri

Azo vakiana?

Tsy hita intsony hono
ny aloky ny omaly
ka ny rahon'ny ampitso,
taingenan'oram-baratra
no indro arangarangany.
Fa lany tsisy ambiny,
nokaohin'ny fanahiny
ny azony antenaina
hitondra ny maraina.
Marainan'ny fitiavana
marainan'ny alahelo
fa  rava sy nikoa
ilay hanitra naoriny
hampamelana ny fiainany
ka manofinofy sisa
miandry paradisa.

Rajordri

Sokajy : Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha