Fa tsiaro ireny (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana tamin'ireny,
no nandavanao ry tsiky,
ka nampanjombona ny hafa
sy namono ny hafaliany?
Eny, masoandro efa hidify
lany taratra mandrorona
izay hany sisa nivelomany
tamin'ny androm-pitolomany
no hiandrasany ny ho avy
hiandrandrainy rangolahy.

Tsy tononkalo miramirana
erikeriky ny ravo
no hosoratany ao am-pony
hamoizany ny lasa,
fa sento kely mahatsiaro
ireo minitra sy segondra
nanononanao tsimoramora
hoe: tsy foiko ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1065 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179