Iza no handresy ny saiko sa ny foko? (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ady tsy mazava
izay natsangan'ilay saiko
fa nolavin'ilay foko.
Toa faniriana te hangina,
amin'ny androm-pifaliana
no sady antson-dranomaso
noho ny sompatry ny ankaso.
Ny handresy irony sento
ka ho olona mijoro
saingy indrisy aho mihararetra
toy ny rindrina hikoro.

inona hoy ianao?
Ireny sedra nohadinoiko
saingy mitranga mampahatsiaro
toa manery mba ho henoiko
fa tsy tiako hialoalo.

ka iza no handresy ny saiko sa ny foko?
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1326 2
Mpakafy: Vitsikakely - Rajordri
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137