kely ihany ve... (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kely ihany ve ny tao amponao tao,
sa ny ahy no maro loatra?
Ry renirano izay nandao
Ry ranomasina nitroatra
Tsy haiko hazavaina,
tsy resiko ho fihinina,
ilay ranon'oran'ny fanahiko mampanjombona ny foko.


Manjohy moramora hokosehin'ny taona,
ilay lobaka tanora miandry ny andron-tsaona
Satria tsy hisy intsony manko
endrika andrandraina hanarina ny saina.

Rajordri
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1042 1
Mpakafy: Rajordri
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147