Tia anao loatra (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety tony fa mahatsiaro
Ireo andro niarahana
Androkelim-pahasambarana

Andro mamy nanam-petra
Nandalo ihany dia nandao
Andro indrisy nampitsetra
Omaly kanto mitalaho

Lasa lavitra tsy fantatra
Olo-tiana nolalaina
Angamba izay ve no lahatra
Tsy maintsy hampionona ny saina
Resin'embona eny angamba
Atao ahoana anefa:
resy satria tia anao loatra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona
1430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1374