veloma amoron-drano (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazako mamiratra ao anaty haizin-drano,
Volana sy kintana miombon-tokantrano.
indro koa mianona anaty hafenoana felam-boninkazo iray,
reno-tory lasanofy.

Dia tsaroako tamin'izay tamin'ny taramasoandro
ny hatsarany sy ny masoko nifanojo ananjoanjo
nifamihin-teny ho eny, tany anaty sento tany.

Amin'izao efa alina, ity tsiaro lasa lalina
manao veloma anao ry voninkazo nofy.

Rajordri
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1102 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094