voninkazo maimbo (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy hazo izay
tsy namelana,tsy namony
fa maniry manadala
hitangoronan'ny valala.

Ianao no antsaiko r'Ikala adala
mpivarotra fitia, mpamitaka malala
hazo be mandravina fialofan-dry zalahy.

Nisy voninkazo maimbo
sy taratasy bobongolo
nentiko ho anao, atao fanomezana
sitrany ahay, mba misy hihomehezana

Ry hazo be mandravina,
indro voninkazo maimbo
hiravahanao amin'ny ririnina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141