ALAHELO (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha alahelo no tanisaina
Tsy mitovy ny saranga
Fa aleo hampiononina ny saina
Izay mitranga eo mitranga

Raha alahelo no tovozona
Tsy ho ritra ny alaheloko
Fa mbola mahery noho ny pozona
Ireo ratra etoko

Raha alahelo no harena
Efa maro ireo lovako
Saingy ny mosarena
No mbola handalovako

Ry alahelo tsy manjary
Miala ato amiko
Fa noho tsy fisiny vary
No namarotako ny taniko

Ny fahantrana mamely
Ny alahelo tsy mijanona
Ny olona efa very
Tsy ho isany olo_banona


23 Janoary 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1781 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097