You are here: home > Vetso

MPIVARO-TENA Mampalahel - RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra

Azo vakiana?

MPIVARO-TENA

Mampalahelo ny vehivavy malagasy
Tsy mety mahita mangirana
Tsy nahatoitra lay taratasy
Sady mijaly izy ireny no sahirana

         Misy ireo mamono tena
         Ao koa ireo mivaro-tena

Manenjika boaty de nuit
Hanjakainy ireo vahiny
Miangatra ity fiainana ity
Fa dimy ao anatiny arivo no vehivavy virijiny

          Ny vehivavy nandrandraina
          Nanafina kilema
          Indrisy niala maina
          Ilay mpivaro-tena

Aiza no halehany
Tery anie ity lalana
Eny Atsarilalana
No hany mba fananany

            Eny no fivelomany isan'andro
            isan'alina

Iza no anarina ?
Iza no hampifaly?
Lay fitia nangalarina
Tonga mampijaly

         Mionona mety  
         Mitraka aza mamono-tena
         Fa hisinda vetivety
         Ireo olana namatotra ny tena

17 Mars 2014

Sokajy : Alahelo, fiainana