Fianarana - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Ny fahaizana sy ny fianarana
Izay tokony ho loha laharana
No tiako mba hasian-teny
Fa zava-dehibe mantsy ireny
Ny sasany tena sahirana
Mianatra mafy ary koa mifaninana
Milofo sy tena manaizana
Fa te hahazo ilay mari-pahaizana
Ny fianarana mirindra
No lova tsara indrindra
Koa mahaiza manararaotra
Raha ianao ilay te hivoatra
Loharanom-pandresena
Sy vola aman-karena
Koa tsy azonao hosena
Ilay toa volamena
Alaviro ny hakamoana
Izay fahavalom-pandrosoana
Mitandrema fa be ny ankaso
Koa reseo re ny torimaso
Aza tia miresabe
Tiavo koa ny mpanabe
Ny fianarana hatao tsara
Mba tsy ho ratsy ny fiafara
Sokajy :
fananarana
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 08/04/2019
Mpamangy : 992
Mankafy : 13
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?