FITIA VOAHOSIM-POTAKA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lazainy fa tsy tia Rehefa izaho no maditra
Lazainy fa tsy tena tia
Rehefa izao no nanao sipa
Lazainy fa miatsaravelatsia
Rehefa izahay no mifamaly
Lazainy fa tsy tena tia
Lazainy fa nampahia
Lazainy fa tsy hiova intsony
Rehefa izao no tratra alina
Teny anavona sy lonilony
no mahazo ahy andro aman'alina
Lazainy fa ratsy loha
Rehefa izao no miteny
Lazainy fa manitsa-jo
Nilaozako hono ny taloha
Lazainy fa nanaha-dRay
Rehefa sendra aho mba solafaka
Lazainy fa tsy tia anay
Rehefa izao no tsy mivavaka
Lazainy fa manambany
Rehefa izao no mananatra
Alahelolo sy tomany
tsy fitiavana hono izany
Lazainy fa tsy hita akory
Ireo fihovana izay nataoko
Lazainy fa nampahory
Ny Fijaliany hono tsy nahoako
Lazainy hombeny hombeny
Fa efa leo azy ny foko
Koa ny momba ahy izay reny
Dia hitsarany ilay Fitiavako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa EjicàNampiditra : tiahservice
Daty : 27/09/2019 05:24