Tsy Anjara - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Noho ny baikon’ny Fitia
Izay tsy azo lavina satria
Mangirifiry ato anaty
Koa ahiana hahafaty
Tsy natao hiray ve isika
Toy ny fitiavan’ny mpivahiny
Koa nanjary nangatsiaka
Ilay Fitiavana fahiny
Ny fifaliako fotsiny rahavako
Dia tena izy ilay fitiavako
Izay efa nafoiko ho anao
Koa nataonao kilalao
Tsy mampaninona ahy izany
Raha hetraketrakin’ny tany
Inona moa no azoko atao ?
Ianao tia ary efa lao
Mba hamintinako izay
Dia misy teny kely iray
Hadinoy ilay tantara
Fa ny antsika roa tsy anjara
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : tiahservice
Daty : 15/04/2019
Mpamangy : 2802
Mankafy : 11
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?