IANAO - RAMANANTSOA Ricardo
Azo vakiana?
IANAO
Ianao no namohizako, izay rehetra ananako
Ianao no notolorako, izay mba hoe fananako
Ianao no nianteherako, hany nitarainako
Ianao no nanokanako, ny andro rehetra iainako
Ianao no namborahako, ireo tsiambara-teloko
Ianao no nametrahako, nizarako ny alaheloko
Ianao no nitokisako, ianao irery iany
Ianao no hotiaviko, mandra-podiko ho tany
Ianao no niantsapazako, raha izaho nanirery
Ianao no fanafodiko, nanasitrana ny fery
Ianao no fahasambarako, hany tokana malalako
Ianao no hany tokiko, hantenaiko mba ho anjarako
Ka na ho levona ny tany, ary hanjavona ny lanitra
Ny fitiavako eo ihany, tsy miova fa maharitra
Ramanantsoa Ricardo
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
endrika01 (24/05/2009 08:34:25)
hery (28/05/2009 04:59:51)
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardoDaty : 10/10/2008
Mpamangy : 2275
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
ResyTIAKO LOATRA IANAO
Adim-piainana
Ventsom-paniriana
Tsy natao
Ilay fitiavako anao
Rahoviana
Fahantrana
Raha azo atao
Ventsom-paniriana