You are here: home > Vetso

Resy - RAMANANTSOA Ricardo

Azo vakiana?

Resy aho, Resy ka mangina
Solafaka nianjera nilaozan'Olon-tiana
Resy aho, milavo-lefona mibaboka
Nosoloinao olon-kafa, ireo nofonofy nidaraboka
Resy aho, Resy ka mipetraka
Mamisavisa ireo fahiny, manganohano vala-ketraka
Resy aho, tsy mahita fifaliana
Mipitrapitra fa kamboty,toy ny zaza tsy niriana
Resy aho, velon-tsainto mitaraina
Amin'iza nefa moa? รด! indrisy fa mangaina
Resy aho, mandohalika mifona
Mafy loatra ka tsy zakako, ny fisedrana izay midona
Resy aho, masiaka loatra ianao ry tany
Fa nomenao ho an'olon-kafa ilay olon-tiako tany ho any
Resy aho, feno fery mitomany
Notoloranao mangidy izato foko nankamamy
Resy aho, tena resy ka mivalo
Fosain'ny olona rehetra, ihomehezan'ny mpandalo
Resy aho, Resy foana hatramin'ny farany
Atao ahoana anefa moa, Izay angamba no anjarany

Sokajy : Hatsikana

Hevitra mandeha

llaingoo (30/04/2009 14:32:34)

Mankasitraka Ricardo a. Za koa resy tahaka an'io saingy mitohy ny fiainana ary matoa hono ireny esorina aminao dia misy tsara lavitra efa homanin'Atra ho anao any ho any. mahereza

Hametraka hevitra

Midira aloha