Rahoviana - RAMANANTSOA Ricardo
Azo vakiana?
RAHOVIANA
Rahoviana ihany angaha
Ianao vao ahatadidy
Ilay fitiavako manahy
Ka miaina anaty ngidy.
Ka amin’izay fotoana izay
Ity fo izay malahelo
Dia hitsiky , faly indray
Ka sanatria tsy hamelovelo
Koa manantena aho indray andro any
Fa mbola hisy ny maraina
Ka ireo toloko sy tomany
Dia hifarana sy hangaina
Ireo zavona mandrakotra
Mitady hanakana ny diha
Dia hisava tsy hanamatroka
Satria ihanao no efa tia
RAMANANTSOA Ricardo
Hevitra mandeha
crrlanto (02/12/2004 05:43:01)
ianao anie ry tiana ,tsy tazako akory
ny androko tontolo,nanjary mampahory
ilay kalokalontsika,moa mba anaty ny tadidy
ilay fitiavako nilotra toa tsy tompon,ny safidy
tiako ianao taloha,fa nanjary lasa nofy
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardoDaty : 29/11/2004
Mpamangy : 2007
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAOResy
TIAKO LOATRA IANAO
Adim-piainana
Ventsom-paniriana
Tsy natao
Ilay fitiavako anao
Fahantrana
Raha azo atao
Ventsom-paniriana