Raha azo atao - RAMANANTSOA Ricardo
Azo vakiana?
RAHA AZO ATAO
Raha azonao atao
Dia ampio aho ho tafarina
Fa raho-mainty mitatao
No manamaloka mahafanina.
Fa tena mila fiantrana
Izato foko izay torovana
Mitady ho resy tsy ho tana
Ka dia mila fanavotana.
Tsy mba ampy izay fitiavana
Mba mitady nefa indrisy
Fa sasa-pona ré rahavana
Sy manantena ny tsy misy.
Koa miangaavy ré raha azo atao
Mba tsidiho fa manirery
Dia omeo izay mba fitiavanao
Fa aza avela ny ho irery.
Fa fahoriana , fijaliana
No ihainana ry aina
Koa miangavy ré tiana
Mba tiavo sombin’aina.
RAMANANTSOA Ricardo
Hevitra mandeha
Nanour (30/11/2004 17:22:44)
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardoDaty : 30/11/2004
Mpamangy : 1757
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAOResy
TIAKO LOATRA IANAO
Adim-piainana
Ventsom-paniriana
Tsy natao
Ilay fitiavako anao
Rahoviana
Fahantrana
Ventsom-paniriana