You are here: home > Vetso

Fahantrana - RAMANANTSOA Ricardo

Azo vakiana?

             FAHANTRANA

Fiainan-tsarotra  tsy mora setraina
Fa aizimpito no miseo
Ka tsy mba misy izay maraina
Fa fijaliana mankaleo


Izany foana no mba misy
Ka alahelo foana foana
Izay fifaliana dia indrisy
Fa fisaonana mandava-taona


Fa fahoriana lava izao
No mba misi eto an-tany
Ka tebiteby mankalao
Izay jerena dia tomany



Ny fitafiana sy sakafo
Rovidrovitra eny foana
Tsy mba takatra sy lafo
Ka ny ao an-trano babangoana


  
Ny aina no hany fananana
Fa ny ankoatra izay dia lany
Ny retraretra dia tsy ananana
Ka tsy misy mpanontany.


                RAMANANTSOA  Ricardo
              

Hametraka hevitra

Midira aloha