You are here: home > Vetso

Tsy natao - RAMANANTSOA Ricardo


Fijaliana sesilany
No mameno ny androm-piainako
Fa fahoriana tsy mba mamy  
Izany foana no iainako

Satria ianao izay nantenaina
Mba ho namana eto an–tany
No indrisy mampangaina
Fa halaviriko hatrany

Ny saranga misy antsika
Dia misy ambony sy ambany
Ka ny hasambaranao tsy ho ritra
Anaty harena tsy ho lany

Raha ny ahy kosa indray
Dia fijaliana eny ihany
Fa fahantrana mahamay
No mampitsonika tomany

Ka na manantena mafy
No mba ho tiavinao
Dia aleoko re mihafy
Satria tsy natao ho anao .


                              RAMANANTSOA Ricardo
      

Sokajy : Fahantrana, Fiononana

Hevitra mandeha

bichette (15/11/2004 18:48:33)

Ricardo, maro tokoa no voan'io fa dia izao : tsarovy fa misy anjaranao foana any ho any, izay vola amankarena tsy mahasambatra akory, mandalo fotsiny ihany ireny.

andriary (16/11/2004 16:06:01)

aingam-panahy niainga t@ inona ity nosoratan'ise ity!tonokalo ihany no vahaolana!misy tnokalo nosoratako mety ahasedra an'ity tonokalon'ise ity!mba vakio dia lazao amiko raha...ampy ahy sy vonikazoko mahantra! nosoratako!dia mazotoa!!!!mahay mamoaka aingam-panahy ise!

vetsoko (07/12/2004 18:44:49)

Tsy misy ny fiainana tonga lafatra
na koa hasambarana tsy hiserana.
Izaho efa nahita manafatrafatra
fa tsy misy mihintsy ny fanaperana

Hametraka hevitra

Midira aloha