Ventsom-paniriana (RAMANANTSOA Ricardo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry zazavavyIzay handinika ny teniko
Miondrika eto sady avy
Mba hamangy anao ny peniko
Antenaiko ianao fa salama
Amin'izao fotoana izao
Matoa ny ventsoko tsy tana
Fa miantefa any aminao
Efa nataoko ihany ny hangina
Tsy anambara ny ato ampoko
Haneo ilay ventsom-paniriana
Indrisy anefa fa nisoko
Koa ankehitriny sombinaiko
Lazaiko anao ny faniriako
Hampilamina ny saiko
No anantenako anao ho olon-tiako
Izay ary no izy ka diniho
Nefa aza fady mba valio
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

mitiaho
(
30/08/2005 14:24)
Tsara saingy tsy dia hitako hoe inona ilay faniriana, toa tsy niteny akory?