LASA - ranaivoharijaona rado liantsoa
Azo vakiana?
Lasa be ny saiko
Mijery anao matory
Tsy lasa aiza akory
Fa lasa manonofy
Lay vatanao tsy hitako anaty bodofotsy
Ny tanako aza moa
Dia lasa hoazy koa
Saika andeha handray
Io lambanao io SAINGY
Toa natahotra aho
Ndrao hanaitra anao
De niala indray ny tanako
naleoko aloha nandefitra
Sy nihanona monja
Amin'ny sary an' eritreritra
Sokajy :
Eritreritra mandalo