leo - RANAIVOMANANA M Jean Félix
Azo vakiana?
Teo ambaravaran-kely aho no nisaina
Sy nanamafy herin-tsaina ,
Ny torimaso tsy hita intsony ;
Mikarokaroka ny vavony
Ny adin-tsaina tsy voavono
Ny siokany vorona nefa tony
Fa nahoana moa izato ianao, no nandao?
Leo ve dia tsy sahy niteny ?
Ny anjara ve no tsy mitovy ka dia indro ianao fa nody !
Leo angamba hoy aho dia tsy niraharaha
Ny masoko no mivandravandra ao anaty aizina ao
Ny saiko toa mahita indray ny tanantsika mifandray
Indrisy hoy aho fa nofy izany
sady saika hitomany ;ka nisento vetivetika
Leo hono izy hoy ny saiko ,
Leo ka tsy hita ho antenaiko.
Hevitra mandeha
tia2005 (04/08/2005 12:20:20)
atao ahoana izy rehefa leo fa aleo izy hitady vao ê!
tia2005 (04/08/2005 12:20:24)
Mombamomba
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhixDaty : 10/02/2005
Mpamangy : 1880
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ManantenaSento sisa
indrisy
Manantena
tsy sahy
niandry
naleonao
nahoana
diavolana