Izy iny (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy iny

Mitoetra samirery ao anaty fananginana
Manafina anaty ny halahelo mafonja
Ita eny aminy soritava-mpitsimbinana
Miseho fa malalaka tsy antery nefa am-ponja

Tsy misy mahita anefa ilay tena iainany
Fa mbetika izy no mitomany ny ampintsony
Tsy fantatra tokoa fa mangidy ny fiainany
Raha jerena ety ivelany ilay tsiky disony

Dia ny alina sisa no hany antenainy
Hitondra fifaliana sy hamafa tomany
Iriny tsy hifoha ny andro tsy haraina
Fa aleony hoe mijanona any anaty nofiny any
--------
Rohy:
951 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099