Nisy mpisolo (raozy mainty)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy mpisolo

Sendra nahare ilay anaranao fiantsony
Dia nientana ny fony
Angamba toa tsaroany
Ilay fiainany taloha fony teo anilanao
Niherika izy hijery
Gina tsy niteny
Fa hay tontolo tsy azy intsony no nidirany
Niezaka izy niala tao
Tontolo nisy anao
F'efa nisy mpisolo ilay toerany taloha
Nitsiky mba ho tony
Nandamina ny fony
Fa nisy fitiavana hitany namiratra
Hay tiana sy malala
F'izy tsy nahalala
...tsy izy intsony ilay malalanao
--------
Rohy:
881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139