Fetin'ny Ray (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada
Raha mbola teo izao ianao
Dia vao maraina dia natao
Arahaba mamibe
Sy sangisangy be dia be

Dada
Raha mbola teo izao ianao
Dia hanihany sy lalao
No nifampiantsoantsika indray
Noho ity fetin’ny ray

Dada
Raha mbola teo izao ianao
Dia tsy izao tononkalo izao
No nosoratana maraina
Fa fitiavana zaraina

Dada
Raha mbola teo izao ianao
Dia ho anao no natao
Ny fiarahabana voalohany
Zay vao ny hafa sy ny tohiny

Dada
Raha mbola teo izao ianao
Dia nozaraina taminao
Ny hafaliana rehetra androany
Fetin’ny ray rehetra eto an-tany

Dada
Saingy ianao tsinona efa lasana
Mandry miadana ao am-pasana
dia tsiaro fohy sy tsiahy an-teny
Sisa ventesinay sy neny
--------
Rohy:
4040 2
Mpakafy: Zozoro - raozigasy
Hevitra mandeha
endrika01 ( 21/06/2009 10:13)
Mampilatsaka tomany!
tsara be lay vetso!
endrika01 ( 21/06/2009 10:14)
Mahereza hoan'izay tojo ny tranga toy izany!
Zozoro ( 25/06/2009 18:29)
Dada fiangotiana tsy eto intsony
Fa lasana niampita
ka tsy hita
Folaka ilay andry niankinana
Potika sy toro
ilay fehizoro......
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317