Ny lanitra no manga (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mikorisarisa mandrandrandrandran-tenyMisarisari-betso teny rehetra teny
Iny peniko iny
Manangonangon-tranga, havadika ho tantara
Mandrimarima kalo, hatao fambarambara
Iny tanako iny
Manonganonga ainga, manondrotra fanahy
Manandratrandratr’embona, mandrehitra tsiahy
Iny saiko iny
Mientanentan-doboka, mitosatosa-paly
Mibitabita-pihetsika, mampihintsana molaly
Iny foko iny
Fa misy inona hoy ianao ?
Sa misy vaovao ?
Tsy misy raha mitranga
… ny lanitra no manga
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy