RY TANINDRAZAKO O NAHOANA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tanindrazako o nahoana ?

Ry tanindrazako o nahoana ?
ianao no dia mijaly foana
Tsy efa ampy ve izay
ny sotasota sy kibay

Ry tanindrazako o nahoana ?
rahoviana ilay fotoana
hilamina ny malagasy
hitsahatra ny tifi-basy

Ry tanindrazako o maninona ?
ianao no atao tsinontsinona
verezin-jo, verezin-tsata
ka basy no atatatata

Ry tanindrazako o tsy rariny
ireo habibiana sy ny tariny
betsaka ny ra mandriaka
noho ny resa-politika

Andriamanitra o jereo
Ny tanindrazako vonjeo
Ireo ota vita avelao
Tsy fantany ireo izay natao
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo - Ady
997 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
sitlo ( 26/04/2009 06:35)
Tsara petraka mihitsy izy izany!
Misaotra O!
fahamarinana ( 02/05/2009 13:38)
Ohatrany toa mbola ho ela angamba hoy aho vao hisy fiovana !Miankina amin'ny zvtr betsaka ,mila mifampiheno ny antoko tsirairay !Hatreto aloha dia vavaka no azo atao hampionon-tsaina !!!
Soarilala ( 09/06/2010 15:04)
Aza kivy fa mbola ho avy ny fotoana hilaminan'ny tanintsika.
Ny hirariana dia ho afa-jaly ny Malagasy .
Ary satria mino isika dia izay no angatahana amin'ilay Ray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315