You are here: home > Vetso

AMPY AHY - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

AMPY AHY...

Ampy ho fahasambarako
ny mitia anao mangina
ao an'eritreritro ao


Ampy ho tantarako
ny nofim-pijaliana
nohon'ny fitiavana anao


Ampy ho fifaliako
ny topy masonao mijery
indray mandeha miserana


Ampy ho fijaliako
izaho ilay mangina irery
noho ilay fitia nezahiko noferana

Joda Razakasoa

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha