HANORATRA HO ANAO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANORATRA HO ANAO

Nobaikon'ny tantara
f'izaho dia manana anjara
hanoratra ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
nateraky ny ainga iray
izay tam-poko mandrakizay
ka harafitro hatrany,
hahafoana ny sento sy tomany,

nobaikon'ny vintana
f'izaho ilay kintana
hamiratra ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
hitondra hazavana,
hanala ny ziogam-pahantrana
amin'ny halalan'ny sarotra
hanasitrana ny holatr'
ity firenena ity...

nobaikon'ny lahatra
f'izaho manana hafatra
hatolotra ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
hanabe ny fiaraha-monina
hananatra ny olona
amin'ny ratsy izay ataony,
hanova indray ny fomba filalaony...

nobaikon'ny fiainana,
f'izaho hanala fanaintainana
indrindra fa ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
hanakombona ny fery
hitady ny efa very
hanova ny toe-ponao
satria HANORATRA HO ANAO,

JODA RAZAKASOA
21 octobra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154